Miara -Tonga

Miara -Tonga 07 Decembre 2021

Salama daholo e! Izay ato  living Products dia mampafantatra anareo fa ,manana produit tsara be ,sady tsara qualité raha...
03/06/2022

Salama daholo e! Izay ato living Products dia mampafantatra anareo fa ,manana produit tsara be ,sady tsara qualité raha mahaliana anao,ny tia afantatra momba izany ,aza misala2 manoratra mp fa vonona anome fanazana mahakasika ireo produit

25/03/2022

Hafatra kely ho an'ireo mpandray toro-hevitra sy mpandray fampianarana ataon'ny namana sy ho an'ireo izay te hahomby amin'ny fiainana izy ity. Ataoko fa tsy zavatra sarotra nefa anisan'ny tsiambaratelo lehibe antoky ny fahombiazana, tsy inona izany fa ny #‎Faharetana‬.
Ny ankamaroan'ny olona dia mitady vahaolana eo no eo foana ka kamo izy raha vao omenao vahaolana mitaky ezaka sy mitaky fotoana, ary indraindray ianao manoro azy indray no omeny tsiny. Amin'ny fiainana sy ny zavatra rehetra atao dia ilaina foana ny faharetana sy ny #‎Ezaka‬. Lalan'ny #‎Natiora‬ izany fa tsy zavatra foronina na filambaniny akory. Raha mamboly hazo ianao androany, tsy rahampitso iny dia haniry fa tsy maintsy miandry fotoana, ary miankina amin'ny fikarakaranao azy no maha ela na maha haingana ny fitombony. Raha manamboatra zaza aza ianao tsy maintsy miandry 9 volana iny vao tonga amin'ny ilana azy, fa tsy hoe manao ianao ny hariva dia teraka iny maraina. Tsy misy afaka ny anohitra izany mihitsy isika, fa izay no lalàna. Raha asain'ny namana manao visualisation ianao, tsy hoe rahampitso iny dia ho tanteraka fa tsy maintsy miandry fotoana, izay ilay ilana faharetana. Aza mieritreritra hoe rehefa zavatra tsy misy fiantraikany eo no eo dia tsy hisy vokany intsony, mivoatra sy mitombo tsikelikely io, toy ny hazo maniry. Ka arakaraky ny amerimberenanao azy matetika no hitomboany malaky ka hitangosanao ny vokany avy eo.

Ny olona tsy manana faharetana dia tsy mba ahita vokatra tsara, toy izany koa ny olona tsy te hisasatra fa mitady tany malemy anorenam-pangady fotsiny. Mety manaonao kely izy dia miala sy miova zavatra hafa atao indray, na efa nisy nitsiry aza ny ezaka kely nataony dia nialany fa aleony mitady zavatra hafa vaovao izay mbola hiverina zero indray. Ny olona toy izany dia azo antoka 100% fa tsy ahita fiovana sy fivoarana ara-piainana mihitsy.

Ny amaranana azy dia hoe izay namboly ihany no mioty, ka ny nafafy no tsy maintsy jinjaina. Izay #‎Miady‬ ihany no hahazo #‎Fandresena‬, ka aleo miezaka sy miady. Safidio izay maharesy lahatra anao dia miezaha, manàna faharetana, fa tsy maintsy tratra foana ny tanjona.

Karah ty mihinana siligom😀
01/03/2022

Karah ty mihinana siligom😀

27/02/2022
20/02/2022

See more trending news on @ Phoenix Browser

20/02/2022

SONIA et NATHAN ont des problèmes en amourle gars de SONIA est un gi**lo ET LA COPINE DE NATHAN est une wakaquand les deux le découvrent un nouvel amour voit...

16/02/2022

Ahoana no hampiakarana ny tombam-bidy (valeur)

Ny tsara ho fantatrao voalohany dia tsy avy amin’ny hatsarantarehy na bika no mahatonga izany fa avy amin’ny fombafomba fiainanao andavanandro.

Ary matetika lasa mahatsapa tsy misy dikany ianao rehefa ny tombam-bidinao no ambany ka mba hampiakarana izany dia ireto misy toro-hevitra afaka ampiharinao amin’ny fiainana mba hahatonga anao hisy lanjany eo amin’ny fiarahamonina.

▶ 1) Ampiakaro ny lanjany fahitan'olona anao.

Na ianao eny an-dalana aza anie matetika dia mahatsikaritra fa misy olona vao hitanao indray mandeha tonga dia fantatrao fa olona manana ny lanjany.

Ary anao , ahoana ny fahitan'ny olona anao ? Mba manaova fitafy mihaja, raha tsy manana dia mba manaova madio. Ny fitafinao dia efa itsaran’ny olona anao. Jereo ny hoho sao misy loto misisika be any. Jereo ny nify sao feno potipoti-kena miraikitra fa mampihena be ny lanjanao ireny.

Tadidio tsara fa ny fahitan'ny olona anao avy aty ivelany fotsiny dia efa mampihena na mampiakatra ny tombam-bidinao

▶ 2) Aza be resaka.

Misy antony ny nanaovana io sofina roa sy vava iray io. Ny olona be resaka matetika efa tsy mahataitra intsony na dia misy zavatra lazainy tena manan-danja aza. Ka noho izany , aleo mihaino kokoa toy izay miresaka fona.

Miezaha mba izay zavatra tena manan-danja no resahina fa amin’izay mba isakin’ny miteny ianao dia mandriran-tsofina daholo ny olona mihaino satria manan-danja hatrany ny zavatra resahinao.

▶ 3) Meteza ho toy ny volamena.

Izany volamena izany dia tsy hitanao amin’ny toerana rehetra. Sarotra vao mahita azy ary izay no tokony hataonao. Miezaha mba tsy ho hita matetika , atao misy lanjany ny fotoana ahitana anao fa tsy isakiny misy miantso dia iny fa tonga foana. (Ne soyez pas toujours disponible, soyez rare)

▶ 4)Mahaiza mandà.

Aza misalasala mihits ny mandà rehef misy hevitra tsy mety aminao fa tsy faly manaraka izay tenenin'olona fotsiny. Ny olona manana ny maha izy azy izany dia olona manana ny heviny manokana fa tsy manara-drenirano fotsiny

▶ 5.Meteza ho Tompon’andraikitra.

Tsy hanana ny lanjanao mihintsy ianao raha toa ka hiankina amin'olona hatrany ary mila ampafantarinao ny tenanao fa mahavita tena ianao.

Jereo anie fa na tsara tarehy tahikin’ny inona ianao fa raha eo akaikin’ny mamasôsy na papasôsy dia tsy misy dikany izay hatsarantarehinao izany satria ianao miankina aminy.

Efa maro ny tokatranon'olona izay nifampirehasako fa tsy mitovy mihintsy ny lanjanao ianao tsy misy asa sy ianao manana fidiram-bola miantoka ny besoin anao iny.

Raha te hanana lanja kokoa ianao dia ampiharo ireo fa tena hanampy anao.

Réussir avec Martin

15/02/2022

168 taona amin'ity 2021 ity no nisian'ny sary pika eto Madagasikara

Ny niandohan'ny sary teto Madagasikara

Tamin'ny taona 1855, raha tonga teto De Lastelle, hany frantsay nahazo alalana hipetraka eto Madagasikara, dia tonga i Lambert, mpanao raharaham-barotra, narahin'ny mopera "jésuite" Finaz mody nitonona ho mpiasany. Nitondra ireo fitaovana fanasana sary ho anisan'ireo entany araky ny didin'ny tao an-dapa.
Raha tsy nahazo alalana hiditra teto kosa ingahy William Ellis, nanadihady izy ny ammin'ingahy Finaz (katolika mpirafy aminy) alohan'ny hiverenany aty Madagasikara raha nalefan'ny LMS hanao fizahana izy. Raha fantany fa very ireo fitaovana fanasana sarin'i Finaz, niomana i Ellis. Tahak'izany no nahatongavany niaraka tamin'ireo sary (vadiny sy ny tranony) sy ireo fitaovana fakana sary, ary niofana talohan'ny nialany. Tamin'ny hamaroan'ny asany sy ireo vokany dia nahazo fahafahana hampiditra ny fakantsary teto Madagasikara ny taona 1853. In-4 nitsidika an'i Madagasikara i Ellis: tamin'ny 1853, 1854 sy 1856 ary 1862-1865. Herinandro vitsy teto Toamasina ireo 2 voalohany, iray volana ny taona 1856 tany Antananarivo ary ny farany dia naharitra 3 taona ho fanampiana ny tao an-dapa tao an-drenivohitra.
Tamin'ny nahatongavany voalohany tamin'ny 1853 niaraka tamin' Ingahy Cameron ireo sanganasany izay nojeren'ny vahoakan'i Ranavalona I dia sarin'olona vita hosodoko anaky 3. Sary hosodokon'ireo rahalahin-dRadama I: Rahovy sy Ratafika ary ny rahalahin'izy ireto nataon'i Colombet raha nivahiny tany Maurice miaraka tamin'ny sarin'ny Mpanjaka Radama I nataon'i Copalle tamin'ny 1826. Ingahy Copalle dia mpampianatra hosodoko tao Maurice ary nangatahin'i Radama hakaty Madagasikara hanao ny sariny. Sarin'i Radama ihany no nataony taty. Fa tsy afapo tamin'ny asany anefa Radama I na dia nametraka tabilao afantarana azy mazava aza.
Raha nandao ny lapa i Copalle raha vita izany dia tsy mbola nisy nanao hosodoko hatreto.
Teo anelanelan'ny fiaingan'i Copalle ny 1826 sy ny niantobohan'ny fakana sary tany Antananarivo ny 1853, efa ho 30 taona no tsy nahitana fanaovana hosodoko sy famerenana sary.
Nefa raha jerena ny nahaterahan'ny fakana sary ny 1826 tany Frantsa sy ny nahatongavany teto amin'ny nosy ny 1853 dia tsy dia mifanalavitra ny elanelany. Ny fampidirana ireo tekinikan'ny sary nataon'ny misionera William Ellis dia zava-baovao tanteraka sy revolisiona amin'ny tantaran'ny sary teto amin'ny nosy.

Zava-baovao tamin'ny andron'ny Mpanjaka Ranavalona I
Tamin'ny androny no nipoiran'ny sary. Mandova ny fifanarahana eo amin'i Madagasikara sy ny anglisy ny mpanjaka tamin'ny fifanekana ny taona 1817 nosoniavina'i Radama I sy ny Governoran'i Maurice.
Nanomboka nanjaka ny taona 1828, raha feno ny fanohanan'ireo mpanolotsainy mitana ny fombandrazana, nanapaka ny fifandraisany amin'ny any ivelany izy. Nofoanany ny fifanarahan'ny 1817 ary tsy nanaiky ny hanome zo ireo mpivarotra vahiny. Tsy nanaiky izany ireto mpanao raharaham-barotra Romain Defossés sy Kelly ary dia namaly tamin'ny fandarohana bomba an'i Toamasina ny taona 1845. Ity ady ity dia nanatanjaka ny mpanjaka hanidy ny fanjakany amin'ny fitsabahan'ny vahiny.
Laborde irery, tonga ny taona 1831 sy De Lastelle tonga taona vitsy mialoha azy no vazaha afaka nipetraka tamin'ny taniny noho ireo soa nataony. Fa voapanga ho miray tsikomba hanao ratsy ny mpanjaka dia voaroaka tsy nisy hatakandro ny taona 1857.
Ny misionan'i London, mpiara-mombonantok'i Radama I amin'ny fampivoarana ny fanjakana amin'ny alalan'ny fampianarana sy ny finoana kristiana, ireo misionera sy ireo malagasy mpianany no voa voalohany tamin'izany.
Nahazo vaovao avy eto Madagasikara momba ny fivoaran'ny toedraharaha tsy tapaka i Maurice. Ao anatin'izany rehetra izany no nandefasana an'ingahy William Ellis, lehiben'ny misiona hijery ny zavamisy marina sy ny asany aty tamin'ny fotoana nanokafan'ny Mpanjaka Ranavalona I ny varotra amin'ny seranantsambo ny taona 1853.
Tahak'izany no nahatongavany teto Madagasikara fa mbola tsy nahazo halalana hiakatra an'Antananarivo izy. Niverina any Maurice ary niomana ny hiverina. Naka fanampim-baovao amin'ny fomba diplomatika hisarihana fanjakana hazoana ny fitokisany sy hazoana halalana mijanona hatratrarany ny tanjony. Izany no antony nianarany momba ny fakana sary tamin'i Georges Fenton tany England. Ny diany tany Polinésie sy Hawaï ho an'ny misiona dia nampianatra azy ary tsy nandà ny hiverina aty Madagasikara na misy sakana aza.

Ny fakana sary tao andrenivohitra dia tsy tontosa na mandray mpianatra raha tsy eo ambany fiahian'i Ellis satria eo ambany fiahian'ny fanjakana izy. Raha nihidy ny firenena dia tsy zatra mahita vazaha ny vahoaka amin'ny andavanandro. miteraka tahoatra ny fahitana an'i Ellis ary indrindra fa izy mitondra entana hafahafa. Ratsy ny fahitan'ny olona raha mankany aminy ary mety miombona amin'ny fahavalo eo imason'ny mpanjaka.
Na izany, tsy mahaliana ny mpanjaka ny momba ny sary. Fitsabahan'ny vahiny ny fahitany ny fitaovana fakana sary nentina. Mifandray amin'ny fanajany ny fombandrazana ny fihetsiny. Masina ny fanahin'ny olona iray ary tsy azo lotoina izany, mijanona ho fananan-tsamirery. Ny sary anefa dia maka ny fanahin'ny olona iray anaty efitrano maizina ary mamindra azy amin'ny taratasy izay afaka jerena sy tazomin'ny olona rehetra. Ho an'ny Mpanjaka Ranavalona I sy ny mpanolotsainy, alaina sary dia midika fanekena angalarana ny fanahy.
Mifandray amin'izay, maka sary ny tany dia mitovy amin'ny maka ny fanahy, midika fa ny maka sary ny tany dia manota fady. Manary ny fahaleovantena ary fanombohan'ny firenena hafa haka azy. Ratsy ny momba ny sary amin'ny mpanjaka sy ny vahoaka maro.
Izay no antony tsy nanekeny hiona amin'i Ellis manokana. Tsy nampiseo ny faniriany halaina vazaha sary izy. Tsy fahafantarana momba ny sary no nandraisan'i Ellis izany. Hoy izy tao amin'ny diariny: "Misy manamboninahitra ao an-dapa niteny ahy fa mino zavatra hafa momba ny sary ny mpanjaka".
Ilay sary malaza misy Andriambavy mitsangana, manao akanjo mavokely eo ambany haloky ny hazo, miloloha satroboninahitra, mitondra mosara amin'ny tànana ankavia dia tsy an'i Ranavalona I tahaka ny aseho any amin'ireo mozea sy fitaovana. Ity sary nataon'i Ramanankirahina ity dia hosodoko nadika avy amin'ny sarin'ny prinstsesy Rabodo, izay ho lasa Mpanjaka Rasoherina nalain'i Ellis ny Talata 23 Septembra 1856. Ny hodi-balazan'ny ("cliché") sarin'ny printsesy dia vaotahiry miaraka amin'ireo sary nataon'i Ellis tamin'ny fotoanandro. Ita ao anatin'ny boky: Ny fiasan'ny fahagagana teto Madagasikara ary ny nanaovana azy dia ita ao amin'ny diarin'i Ellis : The three visits.
Ny tena marina, tsy nety nanaiky alain'ny misionera sary nisy teto amin'ny firenena ny Mpanjaka Ranavalona I, ny nihaonan'izy sy Ellis dia tamin'ny nahatongavany tao andrenivohitra raha hampafantatra ny momba azy tao an-drova hanolotra ny hasina. Fotoana in-dray ihany no nahitany ny mpanjaka. Nanatrika ireo lanonana tao an-dapa izy fa tsy nahita ny mpanjaka intsony. Tsy afaka naka mpakasary hafa ny Mpanjaka Ranavalona I satria Ellis no hany mpakasary tokana teto Madagasikara.
Ny fisainan'ny mpanjaka dia politika ankapobeny hitandrovana ny fanjakana amin'ireo zavatra vahiny manohitntohina ny fanahy. Izany fihetsiky ny mpanjaka izany dia manamarina ny filazana mpakasary tsy fantatra tamin'ny fanjanahantany hoe: "Tsapako hatraiza no maha vendrana ny vazaha amin'ny tompontany, izay mahafantatra ny momba ny fitaovana fakana sary, dia basy, mpangalatra sary sy fanahy". Mahatsapa ny loza mety entin'ny fakantsary Ranavalona I izay manamarina ny fandavany azy.
Taona maro aty aoriana, dia voamarika ny fihetsik'i Rainilaiarivony, Praiminisitra sy Commander-in-chief ny tafika: manahy famonoana izy mandritra ny fakana sary izay tsy maintsy ataony nandritra ny sesitany tany Alger raha rava ny fanjakana malagasy.
Betsaka ireo malagasy no mitsoaka raha sendra an'i Ellis sy ilay boaty fakantsary izay lazaina fa mpamono fanahy.
Hanamarihana fa tsy mamono ny fakana sary, tsy manimba dia mitondra olona nalaina sary amin'ireo miahiahy i Ellis.
Raha nahazo fazahoandalana hivezivezy ao Antananarivo i Ellis dia adinony ny politkan'ny fanjakana momba azy. Fa ny politikan'ny fanjakana no iankinan'ny fakana sary ao amin'ny Rovan'Antananarivo. Raha vao niamboho ny Andriana dia hazakazaka ho alaina sary no niantomboka.
Liana tamin'ny sary ny Mpanjaka Radama II. Mifanohitra amin'ny Andriambavy, ny zanany ny printsy Rakotodradama sy ny manodidina azy dia liana tanteraka amin'ity zavabaovao avy any Eoropa ity. Hatrany amboalohany dia tiany ny sary; manintona sy mahaliana azy, mandinika ilay fotoanan'ny fakana sary nandritra ny fitsidihana voalohany tao amin'ny misionera dia tsy niala taminy.
Betsaka ireo olona manaraka ny ataon'ny printsy mivady ary lasa betsaka ireo mankany amin'i Ellis ary hoy izy hoe: "Betsaka ireo olona te haka sary". Ary: "Rehefa avy niara-nisakafo maraina izahay, nandao ny trano fakana sary ny Andriana mivady tamin'ny 10 maraina, misy manamboninahitra mianjaika be tonga ary mangataka ho alaina sary. Afaka kelikely, misy printsy tonga miaraka amina andriambavy 2 avy ao an-dapa ary mangataka ho alaina sary ary mandritra izany dia misy mpitondra hafatra miteny ahy fa misy namana anaky 2 manokan'ny printsesy maniry halaina sary ka hoavy rahampitso maraina". Ny mitatao vovonana ihany no mampitsahatra izany (feno haloka ny tarehin'ilay olona alaina sary ka manimba ny hatsarany).
Ankoatran'ireo olona marobe tonga ao amin'ny hefitra fakana sary, ita amin'ireo aingo sy ravaka angatahina hakana ny sarin'io olona ambony ny hafaliana. Hoy Balzac: Samy mapiseho ny paoziny daholo ny lehilahy izay heveriny fa mamoaka ny hatsaran'ny bikany".
Amin'izany, ireo akanjo lafovidy, firavaka, voninkazo sy ireo kojakoja isankarazany dia mamoaka ny hatsaran'ireo olona efa bikaina manoloana ny masom-pitaovana. Efa lasa ny ahiahy. Mampiseho ny hatsorany sy hatsarany ny olona amin'ny sary. Hoy Ellis momba ny lehilahy: " Ny paozy mihaja tahaka ireo lehibem-panjakana Eoropeana. Rafitra 1/4 ny tarehy, tsy misy mifanatrika amin'ny masom-pitaovana, mandeha aloha ny fe anakiray, ny tànana iray ambony latabatra ary ny iray mitazona ny vodin-tsabatra".
Amina rafitra "portrait" anaky 3, Radama II, Rainilaiarivony sy Rainimaharavo dia manao ireo paozy voalaza ireo. Mifaninana samy te ho mihaja ireo vehivavy satria samy tsy te ho ita amin'ny bika tsy mamoaka ny "goût" sy ny harenany. Ny fanomanana ireo akanjo hakana sary dia mitovy amin'ireo akanjo hanaovana any amin'ireo trano lehibe mandritra ny mariazina zanakolona ambony sy ny alim-pandihizana ao amin'ny Résidence izay samy misintona ny maso. Lasa hain'ny olona ambony ireo fihetsika frantsay hatramin'ny fivavahana alahady, any amin'ny lanonana ofisialy sy fety manokana. Lasa mamoaka ny hakanton'ny endrika ny sary, ny fahatalanjonana, ny famirapiratan'ny fisiana.
Ny fahafantarana ny asan'ny sary no mitarika ireo olona ao amin'ny fiarahamonina ambony tao Antananarivo ny hitandrina mandritra ny fakana sary. Nanomboka teo, ny "fihetsiketsehana" dia lasa teny baiko rehefa haka sary ka ampisehoana ny tsara indrindra.
Lasa mpakasary tao Anatirova Ingahy Ellis nandritra ny 1862-1865.

Address

Toamasina
501

Telephone

+261346532527

Website

Alerts

Be the first to know and let us send you an email when Miara -Tonga posts news and promotions. Your email address will not be used for any other purpose, and you can unsubscribe at any time.

Share