23/03/2026
MIVOATRA HATRANY NY RAHARAHA
Efa tafapetraka ny fitoriana eny anivon’ny PAC mikasika ireo olona rehetra voatonotonona tao anaty ampamoaka nifanesisesy nataon’i Raissa : Fanirisoa sy José sipany, Koufaly Daya, Siteny, Michael, Stephane Kamisy, Procureure Narindra…
Début de preuves no hanasokajiana ireo horonampeo navoakan’i Raissa ireo ary azo hanokafana fanadihadiana tsara mba hivoahan’ny marina.
Mazava ho azy fa tsy tokony averina minisitra intsony i Fanirisoa satria efa olona toriana izy ankehitriny, ka raha mbola atao minisitra izy dia ho afaka hibaiko ny fitsarana indray ka tsy hisy marina hivoaka eo.
Tahaka izany koa i Siteny tokony hatsahatra amin'ny asany aloha mba hiatrika fanadiadiana mba hisian'ny mangarahara.
Mandram-pivoaka ny valin’ny fitsarana aloha dia tsy tokony hisy andraikitra raisin'izy ireo mihitsy ary koa ireo olona hafa voatonona ao anaty ampamoaka ireo.
VIDEO by Antsiva.