29/08/2026
🇲🇬 H.D.F. – Hadji Djoumoi & Fandza
Tao anatin’ny fitsidihana nataon’ny FIVMPAMA Nasionaly ireo orinasa ao amin’ny Antenne Boeny, dia nanana fahafahana nahafantatra sy nitsidika ny H.D.F. – Hadji Djoumoi & Fandza, orinasa miorina ao Mahajanga, izay manam-pahaizana manokana amin’ny fanondranana vokatra fambolena sy sakafo malagasy.
Ny H.D.F. dia manome lanja sy mampiroborobo ireo vokatra malagasy, anisan’izany ny kafe, kakaô, kanelina, jirofo, dipoavatra mainty, voanjo ary noix de cajou, miaraka amin’ny finiavana hampahafantatra ny kalitao sy ny tsiron’ireo vokatra avy eto Madagasikara eo amin’ny tsena iraisam-pirenena.
Ny fahitsiana sy mangarahara, ny kalitao, ny varotra ara-drariny ary ny fiaraha-miasa maharitra no anisan’ny fototra ijoroan’ny fanoloran-tenan’ny orinasa.
Orinasa iray izay mirehareha amin’ny fampitana ny fahaiza-manao sy ny vokatra malagasy any ivelan’ny sisintanin’i Madagasikara. 🇲🇬🌍
————
🇫🇷 H.D.F. – Hadji Djoumoi & Fandza
Dans le cadre de sa visite auprès des entreprises de l’Antenne Boeny, le FIVMPAMA National a eu l’occasion de découvrir H.D.F. – Hadji Djoumoi & Fandza, une entreprise basée à Mahajanga, spécialisée dans l’exportation de produits agricoles et alimentaires malagasy.
H.D.F. valorise notamment des produits tels que le café, le cacao fève, la cannelle, le girofle, le poivre noir, l’arachide et la noix de cajou, avec une volonté de promouvoir la qualité et le goût des produits de Madagascar à l’international.
L’entreprise place au cœur de son engagement la transparence, la qualité, le commerce équitable et les partenariats durables.
Une entreprise qui porte fièrement le savoir-faire malagasy au-delà de nos frontières. 🇲🇬🌍
————
🇬🇧 H.D.F. – Hadji Djoumoi & Fandza
As part of its visit to businesses within the Boeny Branch, FIVMPAMA National had the opportunity to discover H.D.F. – Hadji Djoumoi & Fandza, a company based in Mahajanga, specializing in the export of Malagasy agricultural and food products.
H.D.F. promotes a range of Malagasy products, including coffee, cocoa beans, cinnamon, cloves, black pepper, peanuts and cashew nuts, with a strong commitment to showcasing the quality and distinctive taste of Madagascar’s products on international markets.
The company places transparency, quality, fair trade and long-term partnerships at the heart of its commitment.
A company proudly carrying Malagasy know-how beyond our borders. 🇲🇬🌍