11/10/2026
CACAO D'AMBANJA: UN PARTENAIRE DU FOFIFA EN MEDAILLE D'ARGENT
Grace à un partenariat avec le FOFIFA, la Société Japonaise MEIJI Co. a remporté la médaille d'argent au concours international organisé par l'Academy of Chocolate 2025.
Cette médaille est obtenue après une convention de collaboration avec le Centre Régional de Recherche Nord du FOFIFA pour des séries de formations octroyés aux producteurs de cacao, qui a entrainé la nette amélioration de la qualité du cacao exporté au japon.
KAKAO AVY AO AMBANJA NO NAHAZOAN'NY MPIARA-MIOMBON'ANTOKA TAMIN'NY FOFIFA MEDALY VOLAFOTSY
Nahazo medaly volafotsy (Silver Award) tamin’ny fifaninanana iraisam-pirenena Academy of Chocolate Awards 2025 ny orinasa japoney MEIJI Co., Ltd., tamin’ny alalan’ny vokatra Meiji The Cacao Fruity Cacao.
Ny orinasa MEIJI moa dia niara-niasa mivantana tamin’ny FOFIFA Ambanja, tamin’ny alalan’ny fifanarahana fiaraha-miasa momba ny fanofanana ireo koperativa mpamboly kakao sy ny fanaraha-maso ary fanatsarana ny kalitaon’ny vokatra.
Ny kakao nampiasaina tamin’ilay sôkôla nahazo loka dia avy amin’ny FOFIFA CRRN Ambanja sy ireo koperativa mpamboly izay nahazo fanofanana sy fanohanana ara-teknika avy amin’ny FOFIFA.
Naneho ny hafaliany sy ny fankasitrahany ny orinasa MEIJI noho io fahombiazana io, ary nanolotra ny mari-pankasitrahana ho an’ny Tobim-pikarohan'ny FOFIFA Ambanja mba ho mariky ny fiaraha-miasa sy ny anjara biriky nentin’ny FOFIFA tamin’ny fanatsarana ny kalitaon’ny kakao.