06/06/2026
✨ Ho avy eto amin’i Voary Beauty ny “Conseils du Dr Tolotra” ✨
Miarahaba antsika rehetra
Tiako ny hanokatra toerana iray eto ahafahantsika miresaka tsotra momba ny :
fikarakarana hoditra,
hatsarana voajanahary,
fahasalamana,
ary koa ireo fiovana lalovan’ny vatantsika mandritra ny fiainana.
Satria miova miaraka amintsika ny hoditra.
Misy fotoana izy lasa :
maina kokoa,
mora sensible,
miseho taches pigmentaires,
na very éclat.
Matetika ireo fiovana ireo dia mifandray amin’ny vatantsika sy ny fomba fiainantsika ihany
Ary indraindray aza isika mahita fiovana amin’ny hoditra nefa tsy fantatra avy hatrany inona no antony🤔.
Manomboka izao dia hizara eto aho ny “Conseils du Dr Tolotra”, intelo isan-kerinandro mba hanampiana antsika ahafantatra bebe kokoa izay tokony atao:
🌿 Alatsinainy — conseils beauté naturelle & routine soin
🌿 Alarobia — peau, hormones, équilibre féminin, préménopause & ménopause
🌿 Zoma — plantes médicinales, ingrédients naturels, prévention & bien-être
💬 Soraty amin’ny commentaire :
Inona ny sujet tianareo horesahintsika voalohany ?
— peau sèche ?
— taches pigmentaires ?
— peau et hormones ?
— plantes médicinales ?
— préménopause ?
— ménopause ?
Faly aho hifanakalo hevitra aminareo eto
Dr Tolotra
Santé publique & médecine naturelle 🌿
Science, prévention, plantes médicinales et bien-être au naturel.
Ny fahasalamana sy ny hatsaran-tarehy maharitra dia miainga amin’ny fahalalana tsara ny vatana, ny prévention, ary ny hery avy amin’ny nature 🌿