20/08/2026
I A/toa JACQUIT, ILAY TANTSAHA MPAMOKATRA MODELY AO MANDABE- RANOTSARA!
Tsy nofy intsony fa zava-misy azo tsapain-tanana!
Raha hiverenana kely ny lasa, zara raha nahazo vokatra 1T ka hatramin’ny 1,5T/Ha amin'ny voka-bary, i A/toa NAFOLIARISOA Jacquit Dix Neuf (antsoina hoe Jacquit), tamin’ny fampiharana voly nentim-paharazana. Mazava hoazy fa kely ny vola niditra tao an-tokan-tranony tamin’izany. Vola izay tsy ampy akory hamelomana sy hiantohana ny hoavin'ny ankohonana, ka nanjaka ny varo maintso.
Tao anatin'ny taona vitsivitsy monja, niova tanteraka ny fiainan’i Jacquit, raim-pianakaviana 42 taona, tantsaha mpamokatra vary, monina ao amin’ny fokontany Mandabe (Kaominina Ranotsara, Distrikan’Iakora, Faritra Ihorombe). Avy tamin’ny maha-mpamboly madinika azy, dia lasa tantsaha modely eo amin’ny fiarahamonina izy ankehitriny. Inona moa no miafina ao ambadik’ity fahombiazana lehibe ity?
Nitondra zava-dehibe teo amin’ny fiainany, ny fahatongavan’ny DEFIS:
- Nanaraka fiofanana ara-teknika tao amin'ny saha sekoly na (Champ École Paysan) CEP TSARAVATSY izy. Nianatra mivantana teny an-tsaha sy niaina tsikelikely ny teknika nohatsaraina (PAPRIZ sy ny fambolena miatrika ny fiovaovan'ny toetr'andro) izy.
- Tsy vitan'izay fa nahazo tohana tamin'ny alalan'ny CGEAF koa, izay nampianatra azy ny fitantanana ny fambolena ho tena orinasa madinika, indrindra tamin’ny fifehezana ny kaotim-pamokarana (nahay nanao kajy ny tombony sy ny fatiantoka, nahay nametraka ny vidin'entana amin'ny tsena) ary ny fidirana amin'ny resaka tsena sy varotra (varotra iombonana).
Tsy fitomboana tsotra no hita, fa tena fiovana tanteraka!
Ny fampiharana mivantana eny amin'ny tanimboliny ny teknika rehetra nanomnboka tamin’ny fikarakarana ny tany ka hatraimn’ny famokarana, araka izay natoro tao amin'ny CEP dia nitera-bokatsoa hoan’ny A/toa Jacquit. Niakatra ny taham-pamokaran’ny voka-bary (3, 8 ka hatramin’ny 4,5T/Ha). Mazava hoazy fa nitombo ny fidiram-bola tao an-tokan-trano ary tsy nisy intsony ny varo maintso. Nanana fahafahana nividy tany ihany koa izy, ka nitombo ny velaran-tany novolena (1Ha lasa 4Ha ankehitriny).
"Ny fahalalana noraisiko teo amin’ny saha sekoly no nampianatra ahy hahafehy ny ara-teknika sy nampianatra ahy ny fomba fambolena tsara indrindra, ka nahatonga ny vokatra azoko ho betsaka sy tsara kalitao kokoa amin'ny velaran-tany kely (0,5Ha nahazoana vokatra 2,7T). Lasa mahay mandinika sy mamantatra mialoha ireo bibikely mpanimba na aretina mpahazo ny voly, ary mahay mitady vahaolana sahaza ara-potoana ny tenako", hoy Atoa Jacquit.
Nanamafy ny fifampizarana traikefa sy ny firaisankina eo amin'ny samy tantsaha ao an-tanàna ihany koa ny saha sekoly, ka miteraka fiaraha-miasa matanjaka (toy ny fanaovana varotra iombonana). I Jacquit moa dia miezaka mampianatra ny mpiara-monina (ohatra: fomba fanamboarana kaompositra, ny fiarovana ny voly tsy ho simban'ny bibikely tsy misy fanafody simika mahery ary ny fitantanan-drano…)
Fiantraikany mivantana eo amin’ny ankohonana:
Ny fiofanana noratovony no nanova ny fomba fiasany. Tsy hoe nampitombo vokatra fotsiny izy, fa lasa manana fahatokisan-tena sy afaka manome fiainana tsara kokoa ho an’ny fianakaviany. Ankehitriny, nitodi-doha amin'ny fandrosoana ny fianakavian’i Jacquit. Afaka nanavao ny trano fonenany izy, nividy omby, bisikileta, hanam-pamokarana sy fitaovam-pambolena maro isan-karazany. Voantoka tanteraka ihany koa ny saram-pianaran’ny ankizy, azo antoka ny fihinanana sakafo maroloko, voalanjalanja ao an-trano ary misy ny ambim-bava mandava-taona
Mankasitraka anao, Atoa Jacquit, amin'ny fahasahiana sy ny asa mafy! "Ary ianao kosa, vonona ve ny handray ny anjara toeranao hanova ny fomba fambolenao mba hahazoana vokatra tsara kokoa?” Aza matahotra isika ny hanova ny fomba fambolena efa tranainy. Andao hijoro ho tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana ny tanànantsika, satria ny tany tsy mba manda an'izay mikarakara azy!