27/01/2026
FIDA/DEFIS/MINAE : NANATANTERAKA ATRIK’ASA FAMPIOFANANA IREO TOMPON’ANDRAIKITRA MISAHANA NY FIKOJAKOJANA NY LALANA NASIAM-PANARENANA SY FANATSARANA
Notanterahina tany Antsirabe, renivohitry ny Vakinankaratra, tao amin’ny “Centre de Formation HIMO (Bureau OIT), nandritra ny roa (02) andro (22-23 janoary 2026) ny fampitana fahalalana ireo Ben’ny Tanàna sy ireo fikambanana mpampiasa lalana (AUP) miisa 35 (Maire miisa 09 ary AUP 26) avy amin’ny Faritra telo (Ihorombe, Matsiatra Ambony, Amoron’i Mania).
Ny mpampiofana dia ny avy ao amin’ny OIT, ary ny FIDA no namatsy vola izany, amin’ny alalan’ny fandaharanasa DEFIS, izay eo ambany fiahian’ny MINAE. Tsara ny manamarika fa ny FIDA avokoa no namatsy ara-bola, ireo asa fanorenana sy fanatsarana lalana ireo, ka ireo mpahazo tombotsoa avy amin’ireo kaominina ireo no tonga nanatrika ity atrik’asa ity.
Tanjona amin’izany dia ny hampaharetana ireo fotodrafitrasa lalana izay vita, amin’ny alalan’ny fahaiza-mitantana sy ny fikojakojana, izay voafaritra mazava tsara : mialoha, mandritra sy aorian’ny fotoana ny orana, ary amin’ny fotoana main’andro. Eo ihany koa ny fampandraisana andraikitra ireo tompon’andraikitra ao amin’ny kaominina amin’ny fitantanana ireo fotodrafitrasa ireo, mba hanamorana ny fivoahan’ny vokatr’ireo tantsaha mpamokatra.
Ireto avy ny lohahevitra nandritra ny fiofanana :
- Fizarana sy fampitana ireo vaovao momba ny fomba fiasa tokony harahina amin’ny fanatanterahana ny asa fanarenana.
- Fampahafantarana ny rafitra fikojakojana hapetraka mba hiantohana ny faharetan’ny fotodrafitrasa.
Tamin’ny andro faharoa dia nisy ny fifanaovan-tsonia mahakasika ny fifanarahana momba ny fitantanana ny asa ho an’ireo Ben’ny Tanàna voafidy vaovao. Nofaranana tamin’ny fizarana « CERTIFICAT » (izay manana lanja iraisam-pirenena avy amin’ny OIT Madagascar) hoan’ireo mpandray anjara rehetra ny atrik’asa.
Nankasitra ny FIDA ireo mpahazo tombotsoa satria ny lalana vita, ny fahaiza-mano entina hampaharitra azy azo, malalaka ihany koa ny fivezivezen’ny vokatra…