08/07/2026
🚨🚨🚨 Izahay ((( Gen TATA ))) rehetra manerana izao tontolo izao sy ny BANDEAU ROUGE manerana ny MADAGASCAR dia manameloka an'i ANDRY RAJOELINA izay fositry ambadika izao "FANAKORONTANANA" izao. Efa ela izahay TANORA MPITOLONA no nahatsikaritra fa manao fomba maro samy hafa i RAJOELINA hiverenany eo amin'ny FITONDRANA. Rehefa tsy nahomby ny fana-karamana olona hidina andalambe dia izao FANGALARA-JAZA izao indray no fika masiso ataony eto amin'ny firenena. Araka izany dia mangataka izahay TANORA MPITOLONA mba ho hafainganina ny raharahan'i RAJOELINA ahafahana misambotra azy farany izay haingana. Tsy hitsahatra mantsy izao "FANAKORONTANANA" izao raha tsy voasambotra haingana i ANDRY RAJOELINA.