11/01/2023
Tadidiko ny fotoana nampianarako tao anaty formation voalohany...
Fantatrao ve hoe: mba firy ny olona tonga tao amin'ilay formation?
4 monja; ary ny iray amin'ireo aza gardien an'ilay toerana: niandry teo izy satria natahotra sao dia handoha vola hofan-trano aho satria tsy nahazo olona mihitsy
Rehefa nitohy ny fotoana dia nanomboka nantsoin'ny olona aho: nampianatra tany anaty fikambanana, fiangonana, association, akany fitaizana, orinasa madinika sns... efa nanomboka nahazo olona, saingy rehefa vita ny fampianarako dia valopy avy amin'ny tompon'andraikitra no nomena ahy.
Toa anao koa aho rehefa mandray valopy: maika ery mijery hoe: ohatrinona hono no mba valeur nandrefesan-dry zareo ahy ato e...
Ohatrinona hoy ianao?
2.000ar hatramin'ny 10.000ar, ary ny matetika indrindra dia 5.000ar.
Hey, 5.000ar izany no vidin'ny expérience rehetra nozaraiko teo, ao anatin'izay vola izay koa no hividianako ny carburant Antananarivo-Moramanga sy Moramanga-Antananarivo...
Taty aoriana nanomboka natetika ny fiantsoan'ny olona ahy tamin'ny finday ( mandeha angamba ny feo tany hoe: omena 5.000ar fotsiny iny fotsilahikely iny dia miramirana), za kosa nanomboka tsy motivé...
Motivé aho hizara fahalalana, saingy reraka ny vatako; reraka satria ny paosiko indray no miala, leo be aho...
Nanomboka connu aho fa tsy valorisé...
Kanjo niova tampoka ny tantarako, inona no fanalahidy hitako?
--------------------------------------------------------
Vao tamin'ny heritaona, niray micro tamin'ny conférencier kalaza 4 aho, izy efa-dahy samy manana doctorat: ny roa amin-dry zareo aza moa manana double doctorat...
Rehefa tapitra ilay fotoana dia nomena valopy izy 4 dahy, ny ahy kosa paquet no nomena ahy( tsy antonona tao anaty valopy mantsy ilay zavatra :D )
Tonga dia tsaroako ilay notolorana valopy taloha...
Nalahelo aho nahita an'izy 4 lahy, nianatra nandritran'ny 14taona nefa iny valopy manify indrindra iny no nandrefesan'ny olona azy, tsy mahavita plein an'ilay fiarany akory.
Inona no fanalahidy nahatonga ahy nahazo mihoatra?
Taona 2023
- Formation mbola vao amin'ny 1volana: feno tao anatin'ny 4 andro ny toerana.
- Ity iray eto ambany amin'ny affiche ity aza moa mbola amin'ny volana MARSA dia efa feno tamin'ny faran'ny taona 2022 ny toerana...
- Iza kay teto Madagasikara no efa nanao formation 3 jours mitentina 7.000.000ar?
Dia in-2 zay, feno haingana be foana ny toerana?
Nefa amin'izao fotoana izao: maro ny namana mampanao formation: tsimponina amin'ny ratsan-tanana ilany hono ny olona tonga... Tena tsy mandeha hono ny formation e...
Inona no fanalahidy?
Inona no mahatonga ahy mahazo mihoatra?
Ity no valiny:
1- Fahasoavan'Andriamanitra
2- Marketing personnel, Marketing personnel, Marketing personnel, Marketing personnel...
Hoy ny tenin'ny renibeko izay hoe:
- ataovy hoe: RATSIMBA no hahafantaran'ny olona anao.
Dia miasà mafy mandra-pahatongan'ny fotoana hoe: afaka havadikao ho vola ny anaranao.
- Miasà mafy mandra-pahatongan'ny fotoana hoe: vao maheno ny anaranao ny olona dia mangetaheta ny ho avy.
- Aza atao fierté fotsiny ny mitondra ny anaran'ny fianakaviana, fa sady fierté no hahazahoana tombony amin'ny lafiny rehetra.
Hey, tsy amin'ny formation ihany no hahitanay ny tombony amin'ilay "marketing personnel" fa amin'ny vente rehetra mihitsy... eny fa na dia any amin'ny aéroport aza: taloha savasavaina be: zao: mody misavasava sisa ry zareo :D
Ianao efa nifidy classe économique satria ireny no mba takatra, surclassé-ny hôtesse ary amin'ilay sezan'ny mpanefoefo gratuitement ary aloha ary ianao e....
Any anaty négociation, vao ianao no mipoitra dia misy influence tonga dia mipetraka; tsy mandresy lahatra be mankaiza akory dia resy lahatra ilay olona...
Tadidio ity teny ity
"MARKETING PERSONNEL"
(Mbola hitohy)
Manarà foana an'ity pejy ity fa mbola misy tohiny be ity fizarako maimaimpoana androany ity
Tsara ity alarobia ity
PS: Marihana fa efa feno tanteraka ny formation TOP VENDEUR izay ho tanterahana amin'ny 28janvier
PSS: Efa feno tanteraka ny formation LEADERSHIP DES ELITES izay ho tanterahana amin'ny volana mars
PSSS: Efa 20%-ny amin'ny session manaraka koa dia efa feno
PSSSS: Na dia tsy mbola nanao lancement sy nanao affiche aza izahay dia afaka misoratra anarana sahady isika ao amin'ny mp